Boky Voalohan'ny Mpanjaka

Toko faha-8

22 Dia tao anoloan'ny otelin'ny Tompo Salomona, nanatrika ny fiangonan'Israely rehetra sy nanandratra ny tànany mankany an-danitra ka nanao hoe:

23 Ry Iaveh Andriamanitr'Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka anao, na amin'ny lanitra ambony, na amin'ny tany ambany, fa hianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin'ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin'ny fony tokoa,

27 Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao, koa mainka fa ity trano nataoko ity!

28 Kanefa, ry Iaveh Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan'ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon'ny mpanomponao eo anatrehanao anio; 29 ka ataovy mihiratra andro aman'alina amin'ity trano ity anie ny masonao, dia amin'ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny anarako; ka henoy ny vavaka ataon'ny mpanomponao amin'ity fitoerana ity. 30 Henoy ny fifonan'ny mpanomponao sy Israely vahoakanao, raha mivavaka amin'ity fitoerana ity izy; mihainoa any amin'ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0307